Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Toko voalohany
1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitra-pon'Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin'ny Kristy Jesoa,2 mamangy an'i Timote, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy ny Kristy Jesoa Tompontsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra izay tompoiko amin'ny saina madio aho, araka ny nataon'ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman'alina amin'ny fivavahako.
6 Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin'ny fametrahako tànana taminao.
7 Fa tsy fanahy osa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. 8 Koa aoka hianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra, 9 izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin'ny Kristy Jesoa, talohan'ny taona rehetra, 10 sy naharihary ankehitriny, tamin'ny nisehoan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika, ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin'ny Evanjely. 11 Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny jentily; 12 ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin'izany anefa aho, fa fantatro izay ninoako, ary matoky aho fa izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-pihavin'izay andro izay.
